Basikety – Ao anatin’ny fifantohana tanteraka amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany 3×3 sy ny U19 amin’izao, ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay. Mba hahafahan’izay fanomanana izay mizotra tsara araka ny tokony ho izy, nisy fanamboarana ny fandaharam-potoana amin’ny fifaninanam-pirenena. Naroso ny 2 hatramin’ny 7 mey araka izany ny fifaninanana dingana voalohany, amin’ny N1A lehilahy, kaonferansa Andrefana. Tsiahivina, ny 6 hatramin’ny 14 mey ny saika hanaovana ity fifaninanana ity. Tsy niova kosa ny toerana, araka ny fanampim-baovao.
Fitsidihana ny MJS – Nanao tohivakana indray, ny fitsidihana nataon’ireo federasiona ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, tamin’ity herinandro ity. Federasiona miisa 4, taranja basikety, lomano, kick boxing ary ny taranja baolina kitra. Fanomanana ny fifaninanana iraisam-pirenena hatrehan’ny mpilalao malagasy ato ho ato , ny tena niompanan’ny fihaonana. Anisan’izany ny lalaon’ny nosy sy ny fiadiana ny amboara eran-tany, ho an’ny taranja basikety. Samy naneho ny fahavononany ny andaniny sy ny ankilany ary hifanolo-tanana amin’ny fanomanan-tenan’ireo atleta.
Nangonin’i Mi.Raz