Rugby : nanolotra fitaovana ho an’ny Makis i Angletera

Resy lahatra ny masoivohon’i Angletera eto Madaga­sikara, fa velona sy mandroso ny baolina lavalava malagasy ary manana talenta amin’io taranja io ny Malagasy. Araka izany, tonga nanolotra fitaovana nahitana “maillots, faux-bas, short, tee-shirt” ary akanjo mafana ho an’ny mpilalaon’ny Makis vehivavy sy ny sokajy zandriny U16 sy U18 ny masoivohony, i David Hasley. Notanterahina omaly alakamisy, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, izany.
Nambaran’i David Hasley fa nahafaly azy ny nahatafita ny Makis ladies, hiatrika ny “challenger series 2023”, tanterahina atsy Afrika Atsimo ny 20 – 30 aprily ho avy izao. “Reharehan’ny Malagasy ny mahita anareo ho masoivohon’ny rugby any ivelany. He­veriko fa hitondra fifaliana ho anareo ireo fanomezana ireo”, hoy izy. Notsiahiviny tamin’ny laha-teniny fa firenena mankamamy ny baolina lavalava i Angletera ary hireharehany izany.
Efa nandalo teto Madaga­sikara ny ekipan’ny Oniver­siten’i Oxford ary resin’ny Makis, tamin’ny taona 2018.
“Manamafy ny fifankatiavana sy ny fifandraisana eo amin’ny masoivohon’i Angle­tera sy ny Malagasy Rugby izao”, hoy hatrany i David Hasley.
Nilaza kosa Rakotomalala Marcel filohan’ny Malagasy rugby, fa mahafinaritra ny fihetsika toa izao ary hitan’ny olona any ivelany izao ny fandrosoan’ny rugby eto Mada­ga­sikara, noho ianareo Makis. “Tokony hianatra hiteny frantsay sy anglisy ianareo”, hoy izy. Tsy adinony ny nisaotra ny masoivohon’i Angletera noho izao fanomezana izao. “Hanao izay tratry ny herinay izahay ho fankasitrahana izao fanomezana izao”, hoy i Fenitra kapitenin’ny Makis.

Torcelin

Partager sur: