ANS Ampefiloha : « Lasan’ireo tsy mpianatra ny efitrano rehetra », hoy Ranavela Charles

Naneho ny alahelony ireo mpampianatra sy mpianatra taloha teny amin’ny ivontoerana Academie Nationale des Sports Ampefiloha, toa an-dRanavela Charles, omaly. Voalaza fa lasan’ireo tsy mpianatra ny efitrano rehetra.

«Mampalahelo ny zava-misy ankehitriny satria lasan’ireo tsy mahita trano eto Antananarivo ny efitrano rehetra ho an’ny mpianatra eto amin’ny ANS Ampe­filoha », hoy Ranavela Char­les, mpampianatra fanantanjahantena fahiny na « Education Physique et des Sports » (EPS), omaly. Nilaza ny tantaran’ny ivontoeram-piofanana ANS izy, manoloana ny mpanao gazety. Nohamafisiny nandritra izany fa mpianatra hofanina ho lasa mpampianatra fanantanjahantena no nipetraka tao tamin’ny fotoana nampianarany. Tsy misy mpi­anatra intsony eny ankehitriny.
« Nahagaga ahy ny fahitana ireo sahafa amin’ny fahitalavitra eo ivelan’ny efitrano » hoy ihany izy. Taorian’io, nanao fanadihadiana mahakasika izany teny an-toerana izahay. Araka ny vaovao voaray dia nampiditra olona maro hipetraka eny Ampefiloha ny minisitry ny Fanatanjahatena teo aloha iray. Nandroaka ireo mpitantana teny an-toerana nanohitra io hevitra io ity farany. Raha ny fanampim-baovao voaray, misy olon-tian’ity minisitra teo aloha ity mipetraka ao hatramin’izao. Raha hiverenana ny tantara dia ny minisitra teo aloha roa nifanesy no nandroaka olona teny an-toerana. Tsy mahazo ny zony intsony izay tokony hisitraka izany.
Ankehitriny, efa miezaka ny mandray fepetra mahakasika izany ny eny an-toerana. Anisan’izany ny fandroahana mpiasa roa tao amin’ny ministeran’ny Fanantanjahantena taloha nipetraka tao nandritra ny fotoana maro. Marihina fa natao ho an’ireo mpanabe sy mpianatra ao amin’ny ANS Ampefiloha ny efitrano rehetra, saingy izao nasian’ny minisitra sasantsasany ny olona akaiky azy izao.

50 taona ny 60 % mpanabe ny EPS

“Hahiana ho tsy hisy mpampianatra EPS matihanina intsony afaka 10 taona, efa mananika ny faha-50 taonany avokoa ireo 60 %-n’ny mpanabe EPS eto an-toerana”. Raha naneho ny heviny Ra­navela Charles. Anisan’ireo sakana tsy mampivoatra ny fanantanjahantena eto amintsika sy mahafaty tanora maro amin’ny fanadinam-panjakana ny tsy fahampian’ireo mpam­pianatra nandalina ny taranja EPS. “Lasan’ireo olo­na tsy manana asa rehetra ny fampianarana EPS eny amin’ny CEG sy Lycée, ankehitriny” hoy ny mpanabe iray tao amin’ny ANS.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: