Basikety: hilalao ao amin’ny Lamelo Ball i Donovan

Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety malagasy any ivelany. Voaantso hilalao ao amin’ny Lamelo Ball, ny mpilalaon’ny Ankoay, Ra­ko­tonanahary Donovan, amin’izao fanombohan’ny taom-pikatrohana izao. Nambarany fa hilalao amin’ny AAU (Ama­teur Athletic Union), Team 1 OF 1 izy ary miaraka amin’ny ekipan’ny Lamelo Ball. Ny taona 1888 no efa nisy ny AAU ary niara-niforona tamin’ny taranja basikety. Milalao ao aminy avokoa ireo mpilalao kalaza ao amin’ny NBA, na ny sokajy “Jeunes” izany na ireo eny amin’ny Lycée.
Azo lazaina fa efa anisan’ireo sangany i Donovan satria iray kianja amin’ireo henjana maneran-tany. Tsia­hivina, anisan’ny voafantina nanohy ny fianarany sy ny basikety tany amin’ny Re­demption Christian Academy, New York i Donovan, niaraka tamin’Andriatsarafara Lova, ny volana septambra 2021. Mbola anisan’ny voafantina niatrika ny fiofanana “FIBA Africa Camp” ihany koa izy mirahalahy ireto, ny taona 2021. Mpilalao sangany nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, nandritra ny Afrobasket U18 farany teo,ny taona 2022. Mbola anisan’ny handrafitra ny ekipa malagasy hiatrika ny fiadiana ny am­boara eran-tany, ho an’ny sokajy latsaky ny 19 taona hatao any Hongrie ihany koa, Rakotonanahary Donovan.

Mi.Raz

Partager sur: