Toeram-pikotranana Anosy : natao hisarihana ny tanora hanao fanatanjahantena

Noho ny fahitana ny firongatry ny tanora mifoka zava-mahadomelina, nasiana fitaovana ara-panantanjahatena eo Anosy, mba hanoherana iza­ny. Nosokafan’ Andriatsito­haina Naina, ben’ny Tanà­nan’Antananarivo Renivohi­tra (CUA) tamin’ny fomba ofisialy izy io, omaly, niaraka tamin’ny masoivohon’i Chi­ne.
Tsiahivina fa efa ao ana­tin’ny tetikasan’ny ben’ny Tanànan’ny CUA ny hampivoatra ny fanantanjahantena sy ny fialamboly eto amintsika, ka izay no nahatonga ny masoivohon’i Chine nanome io fitaovana io. Araka ny fanazavana voaray, toerana telo no misitraka ny fitaovana. Ani­san’izany ny kianjan’ Ala­robia, manana fitaovana 11, ny “Gymnase Besarety” 6 ary ny zaridaina Anosy, 14. Natao ho fanamafisana ny fiaraha-miasa misy eo amin’i China sy ny CUA ny tetikasa ary tafiditra amin’ny fankalazana ny 50 taona nisian’ny firahalahiana na “lien de fratérnité” Chino – Malagasy.
Marihina fa natao ho an’ny olona rehetra ny fampiasana ny fitaovana saingy noferana ho 500 ar ny fidirana. Efa misy mpampianatra manana traikefa amin’ny fa­nantanjahatena, vonona ha­nampy an’ireo olona tsy ma­hafehy ny fampiasana izany.

Fitia
(Mpianatra asa)

Partager sur: