Tsy anisan’ireo nihazo an’ i Douala Cameroun i Ibrahim sy i Datsiry amin’ny fiatrehana ny lalao miverina hiadian-toerana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023), taranja baolina kitra. Fihaonana, hikatrohana amin’ny Les Fauves-n’i Centrafrique ary tafiditra amin’ny andro fahefatra. Noho ny ratra nahazo azy ireo no anton’izany, araka ny nambaran’ireo teknisianina.
Nanapa-kevitra, i Nicolas Dupuis, mpanazatra, ka nosoloina an’i Ando (Racap) sy i Tendry izy ireo. Ankoatra azy mirahalahy, heno fa toa tsy ao anaty lisitra hiatrika ity fihaonana miverina ity, i Lapoussin sy i Ouaserio.
Marihina fa noho ny tsy fahazoan’ny kianja ao Bangui, ny fankatoavana avy amin’ny CAF, ny antony nanaovana ny lalao any Cameroun.
Tsiahivina fa hanala vela ny Barea, amin’io fihaonana faharoa io. Famitana lalao fotsiny sisa ny an’ny Barea de Madagascar fa efa tsy manana herijika hiakarana any amin’ ny Can intsony.
Tompondaka