Nihofahofa tatsy amin’ny Nosy La Réunion indray ny saina malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina (AROI), taranja rugby, sokajy zandriny U18 sy U16. Norombahan’ny Makis lehilahy ny amboara ho an’ny U18;
Notanterahina tatsy amin’ny Stade Paul-Julius Benard, ST Paul, La Réunion, ny zoma 24 sy ny sabotsy 25 marsa lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina (AROI), taranja rugby, ho an’ny sokajy zandriny U18 sy U16 lahy sy vavy. Anisan’ireo firenena nandray anjara tamin’izany, ny Makis de Madagascar. Tsy niveri-maina ny zandrikely malagasy satria norombahan’ny tovolahikely ny amboara teo amin’ny sokajy U18. Resin-dry zalahy, tamin’ ny isa, 29 no ho 14, teo amin’ ny famaranana i La Réunion. Tsy resy mihitsy ry zalahy, nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana. Teo amin’ny manasa-dalana, nomontsanin’ny Makis, tamin’ ny isa mavesatra 43 no ho 0, i Mayotte.
Niondrika teo amin’ny famaranana nanoloana an’i La Réunion kosa ny Makis, ho an’ny sokajy U16 lehilahy. Resy, tamin’ny isa 17 no ho 7, ny Makis kely. Norombahan’ ny Terres en Mêlées Madagascar, ny medaly alimo teo amin’ny U18, rehefa nandresy an’i Mayotte, teo amin’ny fiadiana ny toerana fahatelo.
Tsiahivina fa tafiditra tao anatin’ny fandalovan’ny amboara Webb Ellis, hiadiana amin’ny amboara eran-tany 2023, tanterahina any Frantsa, ity fifaninana ity.
Ho atsy Afrika Atsimo
Ankoatra izay, fantatra fa hanainga ny sabotsy 1 avrily ho avy izao, hihazo an’i Afrika Atsimo ny Makis vehivavy (Ladies), hiatrika ny “World rugby sevens challenger, series 2023”. Fifaninanana, hotontosaina ny 20 ka hatramin’ny 30 avrily, ho avy izao. Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona “B” ny Makis, miaraka amin’i Afrika Atsimo, i Mexique ary i Tchécoslovaquie. Ny 20-22 avrily, ny dingana voalohany ary ny 28- 30 avrily ny faharoa.
Tompondaka