Hiezaka hanoratra tantara vaovao ny Barea anio, vonona hanao “remontada” amin’ny les Fauves Centrafrique izy ireo. Lalao hotanterahina ao amin’ny kianjan’ny Douala Cameroun, amin’ny 4 ora folakandro, ora eto Madagasikara. Fihaonana tafiditra amin’ ny andro fahefatra, amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho fandraisana anjara amin’ny Can 2023, hatao any Côte d’Ivoire. Tsy maintsy mandresy ny ekipa malagasy raha mbola tian’izy ireo ny hanohy ny diany mankany amin’ny Can.
Raha hiverenana ny lalao mandroso, notontosaina teo Mahamasina, ny 23 marsa lasa teo, nomontsanin’ny Les Fauves tamin’ny isa 3 no ho 0 ny ekipam-pirenentsika. “Mbola manana fanantenana ny hanao Can isika, raha toa ka mahazo fandresena foana amin’ny lalao 4 ambiny,” hoy i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny Barea. Marihina fa tamin’ny lalao telo notontosain’ny Barea, isa iray ny hany azony. Izany hoe faharesena roa sy ady sahala iray. Tsiahivina fa tonga tany Cameroun, ny sabotsy 25 marsa lasa teo ny mpilalaon’ny Barea.
Tsy manao i Amada sy i Datsiry
Noho ny ratra nahazo an’i Ibrahim Amada, kapitenin’ny Barea, tsy afaka ny hilalao ny tenany amin’ity fihaonana anio ity. Tsara ny mampahatsiahy fa voadona ny tongony nandritra ny lalao nihaonantsika tamin’ny Centrafrique, ny 23 marsa 2023 lasa teo. Manana olana toa izany ihany koa i Datsiry. Araka izany, nosoloina an’i Tendry sy Ando Rakapy ny toeran’izy mirahalahy. Noho ny fitondrantena tsy mendrika, tsy nandeha any Douala, i Lapoussin sy i Ouassiero fa niverina any amin’ny kliobany, araka ny tati-baovao, hatrany.
Fitia (Mpianatra asa)