Tsy nampoizin’ny rehetra ny voka-dalao tamin’ny andro faha-11 ny fifaninanam-pirenena, Orange Pro League (OPL). Lavon’ny Tsaramandroso Formation FC (TFFC) Boeny, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny Uscafoot Analamanga. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ ny kianjan’Ambohidratrimo, ny sabotsy 25 marsa lasa teo. Raha hiverenana ny lalao, ny TFFC no nitarika, tamin’ny isa 2 no ho 0, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, baolina tafiditr’i Christiano, lohalaharana TFFC, ny minitra 19 sy 30. Mbola nampian’i Philemon, irakiraka TFFC, ny isa teo amin’ny fizaram-potoana faharoa (64 min). Tany amin’ ny fe-potoana fanampiny (90+3) vao nahatafiditra baolina tokana ho an’ny Analamanga i Johary. Io isa 3 no ho 1 io no nisarahana. Nahazo isa telo, araka izany, ny ekipan’ny Boeny taorian’ io lalao io, sady voafidy ho mpilalao mendriky ny lalao i Christiano.
Fitia (Mpianatra asa)
Ireo voka-dalaon’ny andro faha-11
Kaonferansy avaratra
Cosfa (4) vs (1) Tia Kitra FC
Uscafoot (1) vs (3) TFFC
Kaonferansy atsimo
Mama Fc (4) vs (2) 3FB Toliara
Dato FC (2) vs (0) Zanakala FC