Ratiarison Asaramanitra, judokas azo lazaina mbola tanora kanefa efa nanoratra tantara maro teo amin’ity taranja ity. Karate no fanatanjahantena voalohany nataony niaraka tamin’ireo zokiny telo lahy. Ny rainy kosa no nitondra azy nanao fanazaran-tena Judo voalohany. “6 taona aho no nanomboka nanao Judo tao amin’ny Judo Club ESCA ary nijanona nanao karate taona maromaro taty aoriana fa nifantoka tanteraka tamin’ny taranja judo”, hoy ny fitantaran-dRatiarison Asaramanitra ny niantombohany nanao Judo.
Nisongadina teto Madagasikara sy nanerana an’i Afrika
Tompondakan’i Madagasikara nisesisesy teo amin’ny sokajy latsaky ny 48kg i Asaramanitra. Tsy nisy nahatohitra azy teo amin’io sokajin-danja io tamin’izany fotoana izany. Efa nahazo medaly volamena sy volafotsy, isan-tarika, tamin’ ny lalaon’ny Nosy natao teto Madagasikara, ny taona 2007. Mbola Junior izy tamin’izany. Medaly volamena roa no indray noraofiny, ny taona 2006, tamin’ny « Open d’Afrique du Sud » sy ny « Open d’Afrique Kurash ». Voahosotra ho mpikatroka mendrika mihitsy Ratiarison Asaramanitra tamin’ireo fifaninanana roa ireo ary mbola tompondaka lefitra tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Junior sy fiadiana ny tompondakan’ny Oniversite, Senior, ihany koa.
Nitondra ny saina malagasy tamin’ny JO 2016
Mpikatroka anisan’ny voafantina niatrika ny lalao Olympika tany Rio, Brésil, ny taona 2016, i Asaramanitra, rehefa nahazo medaly alimo inefatra nisesy tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika (2013-2016). Izy mihitsy no nitondra ny saina malagasy tamin’io lalao Olympika io.
Atleta foana i Asaramanitra mandra-pahatapitry ny fanaovany Judo ny taona 2016. Nifantoka tamin’ny asa sy ny fiainam-pianakaviana izy taorian’izay. Mpanazatra ankizy Cadet tao La Réunion nandritra ny taona nipetrahany tany . “Manome fanazaran-tena ny ankizy ao amin’ny klioban’ny ESCA aho rehefa mandalo ao Madagasikara”, hoy izy.
Niaraka nanao Judo tamin’i Nazir Bin Abdou
Marobe ny mpanao fanatanjahantena niaraka lehibe tamin-dRatiarison Asaramanitra, toa an’ Andrianaivoravelona Tatiana, Raliterasolo Finaritra, Nazir Bin Abdou, Andriantiana Brenda, Ratsimiziva Fetra … Eo amin’ny fianakaviana kosa, tia fanatanjahantena daholo ny manodidina azy. “Dadanay no mpanohana ahy voalohany, ny zokiko 3 lahy nanao karate avo lenta avokoa”, hoy ny fitantaran’i Asaramanitra.
Nanamarika an’ity judokas malagasy ity, ny fihetseham-po niainany, rehefa avy nahazo fandresena fa eo ihany koa ny faharariana rehefa tojo faharesena. “Tena nanampy be ahy teo amin’ny fiainako andavanandro izany fihetseham-po izany”, hoy izy mitantara. Nanampy azy ihany koa ny fanohanan’ny ray aman-dreniny azy nandritra ny naha mpikatroka azy sy teo amin’ ny fiainany iray manontolo. Ankoatra izay, nanamarika an’i Asaramanitra ny fiarahana tamin’ny ankizy nandritra ny fampivondronana sy fihaonana rehetra amin’ny namana judokas maneran-tany.
Mila mino sy miady mafy ho an’ny tanjona
“Tsara ny manana tanjona amin’ny fanatanjahantena sy ny fiainana amin’ny ankapobeny ary mila mino sy miady mafy ho an’ny tanjonao”, hoy ny hafatr’i Asaramanitra. Tsy dia misy ho avy voatokana eto Madagasikara ho an’ny fanatanjahantena fa anjaran’ny tsirairay, hoy izy, ny mijery ihany koa ny ho aviny mifanindry an-dalana amin’ny fanatanjahantena. “Ny filofosanao no mahalasa alavitra anao. Tsy misy zavatra maimaimpoana… », hoy izy namarana ny teniny.
Mi.Raz