Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tontolon’ny fitsarana niarahan’ny mpitsara sy ny vadintany ary ny mpisolovava teto Toamasina, ny herinandro teo. Voaresaka ny momba ny naoty navoakan’ny Prefet any an-toerana.
Nitarika izany tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ny tonia ambony mpisolo toerana, Ratianarivo Eliasy Edmisy . “Tsy afaka ny hangina izahay manoloana ny naoty navoakan’ny Prefet Toamasina, ny 9 marsa teo. Fanapahan-kevitra noraisiny manokana iny ary tsy azo ekena satria amin’ny anaran’ny fitondrana sy ny vahoaka malagasy rehetra ny didim-pitsarana havoakan’ny mpitsara iray”, hoy izy ireo. Nohitsin’izy ireo fa mitondra antsika mankany amin’ny tany tsy tan-dalàna izany. Natao hotanterahina ny didim-pitsarana, araka ny nambaran’izy ireo.
Hanohy ny asa sy tsy hampanan-kery ny naoty
Notsiahivin’ireto eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana ireto koa fa misy ny rafi-panjakana natao hiandraikitra ny fanatanterahana didy. Anisan’ izany ny mpitandro filaminana, ny vadintany ary koa ny rafitra manara-maso ny fanatanterahana izany. “Aoka ny rafi-panjakana rehetra mba hanohy ny asany ary tsy hampanan-kery ny naoty navoakan’ny Prefet : 35-Mid/Pref/ Toa”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa tsy nisy fakan-kevitra tamin’ny rafitra rehetra mandrafitra ny OMC ny naoty navoakany. Betsaka koa ny fahadisoana tsipelina anatin’ ilay taratasy…
Sajo sy i Synèse R.