“Tapaka fa tsara ny hitohizan’ny dinika, satria nahitana ny firaisam-po sy ny firaisankinan’ny samy Malagasy. Tena nivoitra izay nandritra ny fihaonana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny dinika fakan-kevitra ho fanatsarana ny zotram-pifidianana izay nanasana ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana.
Nahafaly ny tafa sy ny dinika momba ny zotram-pifidianana. Nahazoana nifanakalo hevitra izany. Nisy tamin’ireo sosokevitry ny mpandray anjara no miantefa mivantana any amin’ny Ceni. Raisin-dry zareo amim-pitiavana izany ary hojerena izay fomba hanatanterahana azy, araka ny nambarany. Misy ireo sosokevitra miantefa any amin’ny fitondram-panjakana. Hampitain-dry zareo any ny momba an’izay.
Tsy nisy ny fehin-kevitra niombonana tamin’ny dinika. Na izany aza, anisan’ny voadinika sy nitondrana sosokevitra, ohatra, ny amin’ny hahazoan’ny teratany malagasy monina any ivelany mifidy, ny tetiandrom-pifidianana, ny firotsahan-kofidina, ny fitaovana ampiasain’ny sembana amin’ny fanatanterahana fifidianana, ny famerana ny mialoha ny fampielezan-kevitra, fanafainganana ny famoahana voka-pifidianana, ny fampiharan-dalàna amin’ny fandikan-dalàna amin’ny fifidianana…
R. Nd.