Ratsietison Jean-Jacques : “Mila tsirihina ny 145 miliara Ar hanaovana fifidianana”

“Be loatra ny vola angatahin’ny Ceni hanatanterahana fifidianana, ka mila hanaovana fitsirihana. Na omena 1 tapitrisa Ar aza aho, vitako ny fanisana mpifidy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fahefa-mividy ho an’ny Malagasy (FMI-Malagasy), Ratsietison Jean-Jacques, momba ny vola angatahin’ny Ceni hanatanterahana fifidianana.

Ny rejisitry ny mponina eny amin’ny fokontany tsirairay fotsiny no alaina dia vita ny fanisana mpifidy. Esorina ny olom-pirenena latsaky ny 18 taona tsy manana karapanondro. Efa lisitry ny mpifidy izay. “Mitaky izahay hoe rehefa olona misoratra ao amin’ny fokontany, tsy maintsy ao anatin’ny lisitry ny mpifidy”, hoy izy. Tsy mila misava ny olom-pirenena hoe ao anaty lisitra sa tsia ny anarany, fa tokony tonga dia ao.

Misy ny vola

Manana antontan-kevitra ny Instat, izay miainga any amin’ny fokontany. Ny dikan’izany, azo atao ny mankany amin’ny Instat fa efa nanangona ny antontan-kevitra avy eny amin’ny fokontany ry zareo. Omena ny Ceni izay. Vita eo no ho eo ny fanisana mpifidy. Maninona mbola andaniana amina miliara? Tsy azo ekena izany. Mila fanazava: nahoana no 145 miliara Ar vao hahavita fifidianana? Tokony hohazavaina tsirairay hoe inona no antony?
“Misy ny vola, tsy lany aza. Misy ny vola anaovana lalambe migodana, “téléphérique”: ajanony ireny”,. Tsy azo 145 miliara Ar ny “téléphérique”. Mbola misy ambim-bava aza, raha tsy hoe mamahan-dainga indray ny fitondram-panjakana hoe tsy misy ny vola”, hoy ihany izy. Nahoana no mahita hanaovana lalambe migodana sy “téléphérique” no tsy hahita vola hanaovana fifidianana?

R. Nd.

Partager sur: