Nijoro, omaly, ny Federasiona iraisan’ny fikambanan’ny mpanao gazety, manoloana ny fisamborana sy ny famonjana vonjimaika ny filoha tale jeneralin’ny La Gazette de La Grande île, i Lola Rasoamaharo. Naneho ny ahiahiny izy ireo ary nanameloka ny fisamborana mpanao gazety, ny fanohintohinana mivantana na ankolaka ny orinasan-gazety. “Manahy izahay fa misy dian-tanana politika ao ambadik’izao. Miendrika ramatahora sy fampihorohoroana, atao amin’ireo mahasahy miteny ny zava -misy eto amin’ny firenena”, hoy izy ireo. Nambaran’ ireto mpanao gazety ireto fa tsy mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana izy ireo. Anjaran’ny voakasik’izany na ny mpitory na ny toriana sy ny mpisolovava azy ireo, no mitondra ny fiarovan-tenan’izy ireo, araka ny fanambarana.
Mampanahy azy ireo kosa anefa ny zava-misy na ambara aza fa raharaha manokana, tsy misy idiran’ny asa fanaovan-gazety. Manahy ny mety ho fiantraikan’izao amin’ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra. “Hita fa efa mihatery sy mihasarotra hatrany ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra”, hoy ihany izy ireo.
Ahian’ity federasionina ity ho dingana hirosoana any amin’ny fanakatonana, na fanapenam-bava ny orinasan-gazety ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Midika ho fanasaziana ny olom-pirenena rehetra manan-jo hisitraka vaovao maro lafy izany. Tsiahivina fa anisan’ireo mpanao gazety i “Del kely”, i Gascar Fenosoa, Fernand Cello, Heninkaja…
Synèse R.