“Tsotra ny tombontsoa ho azon’ny firenena amin’ny dinika, hoeken’ny rehetra izay filohan’ny Repoblika voafidy eo”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanolontsaina eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika sady filoham-boninahitry ny antoko Avi, Ratsirahonana Norbert Lala.
Ny tantaran’ny fifidianana teto : nisy voafidy fa tsy eken’ny sasany. Izay nandritra ny fotoana ela. Ny fanantenana aorian’ny dinika: hoeken’ny rehetra hoe voafidy tamim-pahamarinana sy tao anatin’ny fangaraharana izay voafidy eo.
“Anjaran’ny tena no mahita hoe hanao na tsia amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika: manana ny enti-manana sa tsia?Mandiniha tena aloha, fa tsy milaza aho hoe araho ny teniko”, hoy izy. Hatao ihany ve ny famerana ny vola hampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana sa tsia? Tokony hodinihina avy hatrany izay, raha hatao. Nilaza tsy te hiditra lalina amin’izay izy fa tsy kandida.
Efa nanao fampielezan-kevitra sady kandida izy. Fantany ny fanaovana fampielezan-kevitra. Inona no mitranga raha tsy ampy enti-manana? Resy ny tena. Ny filohan’ny Repoblika voafidim-bahoaka teto, olona manana ny maha izy azy avokoa ary manana ny enti-manana ny ankamaroany, araka ny nambarany.
R. Nd.