Nitondra fazavana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny momba ny fanehoan-kevitra nitsikera azy ireo tato ho ato.
«Fomba fijerin’ny mpanao politika ny hoe tsy azo antoka ny Ceni, mila ovaina ny firafitra sy ny mpikambana. Ny hoe tsy azo antoka: tena manao fanahy iniana manao lisitra hosoka, ohatra, izahay, na tsy manaja ny fahamarinana rehefa ho avy ny fifidianana…», hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, manoloana ny filazan’ny mpanao poltika sasany fa tsy azo antoka ny Ceni ka tokony hovaina ny firafitra sy ny mpikambana ao aminy.
Matoa tonga hatrany amin’ny 10 tapitrisa ny olom-pirenena nisoratra anarana amin’izao fotoana izao, farafaharatsiny misy fifampitokisana ao. Raha tsy itokisan’ireo olom-pirenena ny Ceni, tsy hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy izy ireo. Ireo mpanaoa politika mitaky ny fanovana ve no tokony haka ny toeran’ny Ceni vao azo hatokisana izy amin’izay? Misy olona hafa indray hilaza hoe tsy hitokisana izay, ahoana no hifarany? Izay ve no hoe tokony hanovana ny lalàna?
Ny fanaraha-maso no zava-dehibe
“Rehefa tena fantatra ny kandidà hifaninana, hisy solontenan’izy ireo aty amin’ny foiben’ny Ceni hatrany amin’ny fokontany”, hoy izy ny amin’ireo mpanao politika misisika ho mpikamban’ny Ceni. Tokony hisy solontenan’ny antoko politika sy ny avy amin’ny firaisamonina sivily manara-maso ny asa atao. Ny fanaraha-maso no zava-dehibe, fa tsy hoe tompon-toerana ao anatin’ny rafitra ny tena.
Miankina amin’ny lalàna ny fanovana ny firafitry ny Ceni. Izay voalazan’ny lalàna no tanterahina. “Ny lalàna manankery amin’izao, heverinay fa afa-miasa tsara tsy misy mpanelingelina sy mpibaikobaiko ary misakantsakana izahay”, hoy ihany izy. Anjaran-dry zareo ny mandresy lahatra ny olom-pirenena amin’ny asa atao, ka tokony hilàna ny fandraisana anjaran’ny rehetra.
R. Nd.