Fitsarana : mpisolovava 36 nianiana

Noraisin’ny fitsarana am­bony teto Antananarivo ny fia­nianan’ireo mpisolovava 36 mianadahy. Natao tetsy amin’ ny Lapan’ny fitsarana Anosy, omaly, ny lanonana. Hiasa avy hatrany ny 2 amin’izy ireo. Mbola manao ny fianaran-draharaha kosa ny 34 ambiny. “Tsy maintsy manao fianianana ireo mpisolovava tsirairay avy alohan’ny handraisany ny asany”, hoy ny lehiben’ny holafitry ny mpisolovava, Raondry Alain.

Tsy ampy mpisolovava any amin’ny faritra

Betsaka ny mpisolovava ho an’ny firenena efa mandroso. Mbola vitsy izany ho an’ny an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara. Maha­ratra 1050 ny isan’izany manerana ny Nosy, raha ny tatitra voaray avy amin’ny holafitra. Mivangongo eto Antana­narivo avokoa ny 600 mahery amin’izy ireo. Vokany, tsy ampy mpisolovava any amin’ny faritra maro. Mbola tsy ahitana azy ireo koa ny fitsarana ambaratonga voalohany sasany.
“Manoloana izany, entanina hatrany ireo mpisolovava miana-draharaha sy vaovao mba hiparitaka manerana ny Nosy”, hoy hatrany izy. Mba hisitrahan’ny olom-pirenena tsirairay avy ny zon’ny fiarovana. Vonona ny hanampy azy ireo ny holafitra amin’ny alalan’ny tohana maro samihafa. Toy ny fiantohana ny fitobiana voalohany ( première installation).

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: