Nanao fanambarana manameloka tanteraka ny fanilikilihana sy fanavakavahana natao taminy ny depiote Jean François Michel “Havako aby”. Anisan’ireo manampahefana nasaina hametraka fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato, manoloana ny gara ity olom-boafidy ao Antsirabe I ity, ny 29 marsa teo. Tsy tanteraka, araka ny tokony ho izy, anefa izany raha tsy efa tany amin’ny fotoana farany. “Toerana mandalo ary tsy nahavita inona teto ianareo ka tokony hiala manoloana izany toetra tsy mendrika izany”, hoy izy, tamin’ny mpanao gazety ao an-toerana.
Notsiahiviny fa solontenan’ny vahoaka ary depioten’i Madagasikara fa tsy an’ny Tim na an’Antsirabe fotsiny ihany ny tenany ary afaka nanao izany hatrany isan-taona. Norarana anefa izany tamin’ity indray mandeha ity ka niteraka tsy hafaliana ho azy sy ireo mpomba ny Tim.
Nanentana ny olom-pirenena
Etsy andaniny, mitohy ny hetsiky ny Tim amin’ny fanentanana ny olom-pirenena hisoratra anaty lisi-pifidianana. Anisan’izany ireo vehivavy Analamanga eo anivon’ity antoko ity. Nihazo ny teny Ambohipo indray izy ireo omaly. “Manana andraikitra ny vehivavy eto amin’ny firenena. Mahita ny fahasahiranana mianjady aminy sy ny ankohonany izy ireo ka mitondra ny anjara birikiny ho amin’ny fanovana ny firenena”, hoy izy ireo.
Nentanin’izy ireo hanatona ny fokontany ireo mbola tsy nanao izany.”Adidy ny mifidy ka tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana”, hoy izy ireo.
Synèse R.