Namondrona ny heriny ka nanao fanambarana ireo vovonana politika mivondrona eo anivon’ny G5. Ahitana ny avy amin’ny RMDM, Hiffim, HPM, VTHM, Panorama izy ireo.
Nambaran’ireto mpanao politika ireto fa masi-mandidy sy tompon’ny fahefana eto amin’ny firenena, araka ny rafitra repoblikanina sy demokratika ny vahoaka. Nohitsin’izy ireo koa fa tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana filoham-pirenena, ho fanajana ny Lalàmpanorenana. “Tsy maintsy hirosoana anefa ny fikaonandoham-pirenena andraisan’ny rehetra anjara, mialoha ny fifidianana mba hikarohana vahaolana”, hoy izy ireo.
Anisan’ny hodinihina amin’ izany ny momba ny lalàm-pifidianana sy ny lisi-pifidianana ary ireo rafitra mikarakara ny fifidianana. Anisan’izany ny Ceni sy ny HCC mba ho vahaolana.
Niantso ny sehatra iraisam-pirenena ny G5
Hodinihina koa ny fanarenana ny firenena latsaka anaty fahantrana lalina sy ny krizy miverimberina. Niantso ny mpitondra izy ireo handray ny andraikitra tandrify azy, manoloana izany, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana. “Miantso ny ray aman-dreny ara-drazana sy ara-panahy koa hijoro ho mpanelanelana”, hoy izy ihany izy ireo. Nanaovan’ny G5 antso avo koa ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanolo-tanana amin’izany ho amin’ny tanjona iombonana, hipetrahan’ny fitoniana. “Hanambatra hery isika handray an-tanana ny ho avin’ny firenena ary hiaraka hifandinika hamahana izao krizy izao”, hoy izy ireo.
Synèse R.