Minisitra Lalatiana Andriantongarivo : “Afangaron’ny sasany ny resaka momba ny asa an-gazety”

Tsy mitovy ary samihafa ny asa fanaovan-gazety sy ny maha mpanao gazety. Ni­tondra fanazavana, manoloana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny minisitra La­latiana Andriantongarivo Ra­kotondrazafy, omaly, tetsy Anosy. Nambarany fa betsaka ny raharaha momba ny mpanao gazety tato ho ato. Samihafa anefa izany satria tsy momba ny asa fanaovan-gazety, araka ny nambarany. “Ilay olona manokana no manana olana eny amin’ny fi­tsarana fa tsy izy amin’ny maha-mpanao gazety azy. Iniana afangaro ilay resaka mba itoraham-bato ny fanjakana ka ilazana fa manohintohina ny fahalalahana eto”, hoy izy. Notsiahiviny indray fa efa eo ny sata miaro ny mpanao gazety raha miseho ny heloka amin’ny asa maha mpanao gazety. Tsy arovan’ny sata kosa anefa raha ivelan’ny asa fanaovan-gazety izany. Noraisiny ho ohatra, raha mampihorohoro, mangalatra herinaratra, maka vola tsy an-drariny na mamono olona ilay mpanao gazety. “Entina eny amin’ny fitsarana izany ary tsy misy idiran’ny asa maha mpanao gazety”, hoy ihany izy.

Entina eny amin’ny fitsarana

Nanteriny koa anefa fa azo entina eny amin’ny fitsarana ny mpanao gazety raha noho ny asany no anamelohana azy. Tsy migadra kosa anefa izy amin’izany fa mandoa lamandy, miainga amin’ny sata, araka ny nambarany hatrany. “Tsy misy ambonin’ny lalàna izany isika mpanao gazety”, hoy izy.
Tsiahivina fa nitondra fanazavana tamin’ireo mpiara-miombona antoka sy ny fiarahamonim-pirenena manoloana ny vaovao samihafa ny minisitra. Notsiahiviny tamin’ izany fa tokony hakana hevitra ny departemanta iadidiany manoloana ny vaovao samihafa mivoaka nefa tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy sy ny voalazan’ny lalàna, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Partager sur: