Soavina Betafo : tovolahy nanolan-jaza matin’ny fitsaram-bahoaka

Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy tapitra ny ain’ny tovolahy iray vao 17 taona nanolana zazavavy iray tsy ampy taona tao amin’ny koaminina Soavina, distrika Betafo ny 1 avrily teo.

Maty tsy tra-drano ny sabotsy lasa teo, ny tovolahy iray voatondro ho nanolana zazavavikely vao 8 taona monja tao Fanamena anatin’ny fokontany Ambohitsara, kaominina Soavina, distrika Betafo. Hita faty teny an-tsaha ny zazavavikely iray ny 31 marsa lasa teo. Niaraka tamin’ny reniny niasa teny an-tanimboly izy. Nirahina hamahana sakafo ny kisoa any an-tanàna anefa izy ka niasa irery ny reniny. Ni­fampitadiavana ity zazavavikely ity nanomboka teo. Ny ampitso, hita faty efa rotiky ny ratra sy niharan’ny fanolanana io zaza io. Natao ny fizahana, potika tanteraka ny fivaviany. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

Nosamborina ilay nahavanon-doza…
Ny 1 avrily, nifanenjehan’ny fokonolona ny tovolahy iray 17 taona voalaza ho nanao ny fanolanana. Tra-tehaka tao anatin’io kaominina io ihany izy. Niaiky heloka ity farany. Nambarany fa naolany tokoa io zazavavikely io. Nampandre ny zandary haka ny nahavanon-doza, arak’izany, ny ben’ny Tanàna ao an-toerana. Tetsy ankilany, nodarohan’ny fokonolona nisambotra azy noho ny hatezeran’izy ireo ity tovolahy voasambotra ity. Raikitra ny tora-bato sy ny fikasihan-tanana. Voka­ny, tsy tana intsony ny ain’io mpanolana io. Nomarihin’ny zandary fa voararan’ny lalàna ny mampihatra ny fitsaram-bahoaka ka tokony entina eny anivon’ny tomponandraikitry ny filaminana hatrany ireo olon-dratsy hisorohana ny tahak’izao.

Zaza 6 taona maty
Maty niharan’ny fanolanana koa ny zazalahikely 6 taona tao Fiadanana, fokontany Ambohimena Atsimo, An­tsirabe, omaly. Tsy hita na­nomboka tamin’ny 11 ora sy sasany ny andron’ny alahady izy. Nikaroka azy, noho izany, ny fianakaviany kinanjo hita nitsirara teo akaikin’ny trano fonenany io zaza io ny alatsinainy maraina tamin’ny 3 ora sy sasany. Voamarin’ny mpitsabo nanao fizahana fa niharan’ny fanolanana ity zazalahy ity. Karohina ny nahavanon-doza.

Tsiferana R.

Partager sur: