Belo Tsiribihina : mpivarotr’omby iray voalaza maty notifirin’ny miaramila

Lehilahy iray avy nivarotra omby no voalaza fa matin’ny miaramila tao Belo Tsiribihina, afakomaly. Mi­petraka any amin’ny kaominina Andimaky izy. «Ny alahady teo, avy nivarotra omby tany Belo Tsiribihina ity lehilahy ity ary nifanena tamin’ireo miaramila tsy lavitry ny “camps” misy azy ireo. Teo noho eo ihany, nitifitra azy ny miaramila no mbola voaroba ny vola vidin’omby sy ny finday ary ny kara-panondro», hoy ny loharanom-baovao iray. Nanazava ny miaramila iray fa niantso findaina olona avy any atsimo ilay mpivarotr’omby tamin’io fotoana io. Antony nitifiran’ireo miaramila azy. “Mbola tsy tapitra tsara ny fanazavana dia notapahan’ny namany izy niteny ka nataon’ireo hoe aza miteny fa kapiteny no aoka hanazava”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Tsy nandrenesam-baovao momba ity raharaha ity ilay kapiteny voalaza. Tsy mbola fantatra ihany koa ny antony nitifirana an’ilay mpivarotr’omby. Tsy mbola niverina ihany koa ny volany, sy ny findainy ary ny kara-panondrony, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, mitaraina ireo monina manodidina amin’ny hafitsok’ireo miaramila fa izy ireo no tena dahalo manafik’olona, hoy ny loharanom-baovao. Ankilan’ izay, nilaza ny zandary ao Belo Tsiribihina fa nisy ity trangana tifitr’olona ity saingy tsy nahazaona fanazavana ny momba izay. Tsy nahazoana valin-teny mahafapo ihany koa ny avy amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.

Henintsoa H.

Partager sur: