Ny filankevi-panjakana : manoka-baravarana

“Mety hiteraka disadisa ny fanapahan-kevitry ny manampahefana any amin’ ny faritra. Hisorohana izany sy hahatomombana ny filaminam-ba­hoaka, misokatra ny varavaran’ny Filankevi-panjakana sy ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, ho azy ireo, ho fakana tolo-kevitra”, hoy ny filohan’ny Fi­lankevi-panja­kana vaovao eo anivon’ny fitsarana tampony, Ratolo­janahary Marie de Jésus, nanao ny fianianana teny Anosy, omaly.
Fakana tolo-tsaina sy tolo-kevitra ny Filankevi-panjakana, araka ny voasoratra amin’ ny lalàna, mom­ba ny fandaminana sy ny andraikitra ary ny paikady arahina eto ani­von’ny fitsarana tampony.
Manolotsaina ny manampahefana ambony sy isam-paritra ao anatin’ny sehatra mety andraisan’izy ireo fa­napahan-kevitra. Mba hisorohana ny mety hisian’ny disadisa eo amin’ny fandraisana an­draikitra izany, hahatomombana ny filaminam-bahoaka.
Andraikitra manokan’izy ireo eo anivon’ny fitsarana tampony ny mitsara ny fifanolanana amin’ny fifidianana eny anivon’ny vondrombahoakam-paritra. Ary ny didy navoakan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana isam-paritra no angatahin’ny mpiady handravana didy eto anivon’ny Filankevi-panjakana. Mitsa­ra ny fangatahana onitra amin’ny ady amin’ny fanjakana izy, ny fifanolanana amin’ny valim-pifidianana avy amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana isam-paritra. Mpikam­bana avy hatrany ao amin’ny HCJ ny filohan’ny Filan­kevi-panjakana.

R. Nd.

Partager sur: