Festival Miaraka : haikanto samihafa no handravaka ny hetsika

Fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana, indrindra ny eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina no anisan’ny tanjona amin’ity hetsika lehibe ity. Nisy ny vinan’ny mpikarakara hamondrona ny haikanto rehetra saingy ireo no tratra ny amin’ny fiaraha-miasa.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, Andavamamba, ny “Festival Miaraka”, andiany fahatelo. Ny Compagnie Lovatiana, miaraka amin’ny masoivohon’ i Suisse eto Madagasikara no mikarakara ny hetsika. Resa­dresaka tamin’ny mpanao ga­zety sy fampisehoana no nentina nanokafana ity hetsika lehibe ity. Haikanto maro samihafa no hita mandritra ny fotoana hanatanterahana ny hetsika. Hisy ihany koa ny fifampizarana amin’ny mpahay kanto eto Madagasikara sy ny avy any Suisse.
Miditra amin’ny andiany fahatelo ny “Festival Miara­ka” amin’ity taona 2023 ity. Hetsika lehibe hanomezana lanja manokana ny mpahay kanto samihafa, anaty fotoana iray sy toerana iray. Hita mandritra ny fotoana hanatanterahana ny hetsika ny fampirantiana, atrikasa, fampisehoana haikanto maro samihafa. Ho an’ny fandaharam-potoanan’ ny “Festival Miaraka” amin’ ity anio ity, hisy ny atrikasa momba ny fanaovana hosodoko amin’ny rindrina, eny amin’ ny Centre Akama 67ha. Mi­fanindrandalana amin’izay ny atrikasa iarahana amin’i Re­becca Weingartnerd, mpandihy avy any Suisse.

Nahazo lanja manokana kosa ny sehatry ny sary sy horonantsary, nandritra ny andron’ny fanokafana omaly, teny amin’ny AFT Andava­mam­ba. Nisy ny fampisehoana horonantsary “Debout” notontosain’i Felana Rajao­narivelo. Teo ihany koa ny fampirantiana sarin’i Lehibe Chan. Nisy ihany koa ny resadresaka niarahana tamin’ny jeneraly Ramakavelo, tao anatin’ny lohahevitra hoe: “Fia­ra­hamonina miaina ao anatin’ ny fahasamihafana”.
Mbola maro ny hetsika hotanterahina ao anatin’ity hetsika lehibe ity. “Haikanto maroloko no ezahina haseho mandritra ny hetsika. Tanjona ny fampitambarana ny haikanto maro samihafa hitondra ako tsara eo anivon’ny fiarahamonina”, hoy ny mpikarakara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: