Hiavaka tanteraka ! Rehefa nosokajiana, tafiditra ao anatin’ny hiran’ny omaly ny ho re avy eny an-tsehatra, ny alahady 16 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ ny CCEsca Antanimena. «Rindran-kira ho anao», seho ahitana ireo mpanakanto miangaly io karazan-kira io. Mpanakanto sy tarika maherin’ny folo no hanatanteraka izany : Fidimalala, Abel Ratsimba, Salomon, Tovo Andrianandraina, J. Andriamanantena sy Julie, Ny Alondrano, tarika Jean-Luce sy Lala, Narisoa, Noely sy ny Sakelidalana, Faniry Raelison, Ny Angolan’ Imerina.
Amin’ny ankapobeny, voasokajy ho anisan’ny hiran’ny omaly ireo voaforona taorian’ny kalon’ny fahiny. Tsy voatery hahenoana tendry gasy na bagasy na zavamaneno piano ny hiran’ny omaly, fa ahatarafana kosa ilay aingam-panahy malagasy. Misy amin’ireo mpamorona hiran’ ny omaly, ohatra, no nampiasa ny valse, salsa, rock, sns.
Vokatr’ilay tononkira sy aingam-panahy malagasy ao amin’ny hiran’ny omaly, maro amin’izy ireny no tsy afaka eo am-bavan’ny Malagasy na efa ho 25 taona mahery aza ny nivoahany.
HaRy Razafindrakoto




