Hisy ny atrikasa momba ny Tango, hotanterahina eto Madagasikara, iarahana amin’ ny kalaza eran-tany eo amin’ ity karazana dihy ity. Anisan’ ny ho avy eto hizara ny traikefa sy ny fahaiza-manaony i Jeremy Vannereau sy William Garcin ary i Eric Franceries. Ny Académie Nationale des Arts et de la Culture (Anac) no mikarakara ny hetsika, ary ny 15 hatramin’ny 20 avrily 2023, eny amin’ny Anac, tranombokim-pirenena Anosy no hanatanterahana izany.
Hisy indray ny mpahay kanto vahiny ho avy eto Madagasikara, hampahafantatra sy hizara ny momba ny “Tango”. Telo mirahalahy, samy manana ny maha izy azy, no ho avy eto. Hisongadina manokana mandritra ny fandalovan’ireto vahiny ireto ny gitara sy violon ary bandonéon, zavamaneno izay tena ampiasaina amin’ny “Tango”.
Misokatra ho an’ny rehetra ny hetsika. Maimaim-poana tanteraka ny atrikasa ho an’ny mpianatra eo anivon’ny Anac, raha misy sarany kosa ho an’ny tsy mpianatra ao maniry ny hanatrika izany atrikasa izany.
Lin (Mpianatra asa)




