Nampiasa faktiora sandoka… : jiolahy tratra nangalatra moto

Naiditra am-ponja eny Antanimora ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra moto. Ny polisy avy ao amin’ny sûreté urbaine du territoire (Sut) no nahasambotra azy afakomaly, teny Avaradoha. Tsy vitan’izay fa misoloky sy mampiasa taratasy hosoka izy, araka ny fanazavan’ny polisy. Ny 21 marsa 2023, naharay fitarainana sy fitoriana ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Sut Tsaralalana momba ny fifanakalozana moto niseho teny Soavinandriana-Météo. Araka ny fantatra, taratasy hosoka sy faktiora sandoka no nampiasain’ny jiolahy tamin’io fo­toana io. Rehefa natao ny fanamarinana ilay moto, teo no nahafantarana fa moto halatra ity moto saika hatakalo ity. Nomarihin’ny polisy fa very ny 14 marsa 2023 teny Digue Anosipatrana ity moto ity kanjo izao hita teny aminy izao. Tratra izy taorian’ny vela-pandrika nataon’ny polisy ka nentina nanaovana fanadihadiana avy hatrany. Hita teny aminy ireo karazana kara-panondro sandoka, fitombokase hosoka, fanalahidy maromaro niaraka tamin’ny faktiorana moto. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana azy.

Jean Claude

Partager sur: