Varotra héroïne : tambajotran-jiolahy naiditra am-ponja eny Tsiafahy

Ankoatra ireo Maorisiana enina efa any Tsiafahy, nidoboka am-ponja ny 28 marsa teo, ao Antalaha koa ireo Malagasy dimy voasaringotra tamin’ny raharaha héroïne tany Vohémar. Taorian’ny nahatrarana ireo Maorisiana nitondra sambo haingam-pandeha tao Vohémar, noraisin’ ny mpitandro filaminana an-tanana ny raharaha. « Maori­siana enina nidoboka avy hatrany any Tsiafahy ny faran’ny volana marsa teo», hoy ny nambaran’ny kaomandin’ ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Sava. Niroso tamin’ny fanadihadiana ireo Malagasy dimy nifanerasera tamin’ireo teratany vahiny ireo ny zandary. Efa tambajotran-jiolahy mpikirakira héroïne ireto sarona ireto . Samy nanana ny valinteniny ireo Maorisiana ireo rehefa natao fanadihadiana.”Misy milaza fa nitondra 10 kg izy ireo. Manamafy ny namany hafa fa tsy nisy afa-tsy 5 kg teny amin’izy ireo”, araka ny fanamafisan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Sa­va.  Notsindrian’ ity farany, fa tsaho haely ny filazana fa nandositra ireo Maorisiana telo tsy tonga niatrika fitsarana ny faran’ny volana marsa teo. « Narary ny mpisolovava azy ireo. Ho tontosaina tsy ho ela kosa ny fanatanterahana io raharaha io ho an’ireo olona voapanga», hoy izy. Marihina, niainga avy any Maorisy ary nilaza ho maty motera teny an-dranomasina ary natsipin’ny onja nihazo an’i Vohémar ireto Maorisiana ireto ka izao nigadra izao.

Tsiferana R.

Partager sur: