Behenjy : mpangarom-paosy nahatrarana finday halatra

Noraisim-potsiny teo am-panaovana ny asa ratsiny ny roa lahy mpangarom-paosy tao an-tsenan’i Behenjy, afakomaly. Teo am-panatontosana ny asa ratsiny, narahan’ny mpitandro filaminana maso ny fihetsik’ireto jiolahy roa ireto. Nikasa hangarom-pa­osy, nanantonan’ny zandary avy hatrany izy ireo ka tsy afa-nandositra. Natao ny fisavana ny kitapo kely teny aminy ka nahitana telefaonina halatra 4. Tsy vitan’io, nahitana taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara sy taratasim-piantohana fiara iray teny amin’ireto mpangarom-paosy ireto. Mbola teny an-dohan’ny iray ny satroka polisy. Nentina natao fanadihadiana ary atolotra ny fampanaovana ireto roa lahy voasambotra ireto. Averina amin’ny tompony ireo fitaovana halatra.

Tsiferana R.

Partager sur: