Simba tanteraka !

Firenena manana ny maha izy azy i Madagasikara. Anisan’ny mampiavaka ny Malagasy ny fananana fahendrena sy fifanajana. Indrisy anefa fa zary fomba amam-panao ny mifanebaka sy mamoaka ny tsiambaratelom-panjakana. Tsy ampoizina fa hatrany amin’ny heverina ho olobe sy olo-manankaja ambony, lohan’ny firenena, no mahita faisana. Taiza teto ambonin’ny tany no mivoaka eny amin’ny tambajotran-tserasera ny resaka ataon’ny Filoham-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ? Tsy mampino velively saingy zava-misy eto amintsika izany.
Vokany, niaraha-mahalala ny famaizana nianjady tamin’ny jeneraly Gellé, tsy nahazo nanao fisafoana andian-tafika, niaraka tamin’ny Filoham-pirenena intsony. Very ny hasina sy fifampito­kisana nisy teo amin’izy mianaka. Ny jeneraly bekintana ity anefa no anisan’ny olona madio sy tsy mba nandrenesam-peo tamin’ny hadalana ataon’ny ankabeazan’ny olona manodidina ilay filohan’ ny Repoblika.
Inona no ao ambadik’ireny famoahana resaka manokana ireny ? Mazava be fa fitadiavan-tseza sy hoditra akondro. Misy olom-bitsy, miketrika mafy any mba hahazoany tombontsoa. Misy ny faniriana tafahoatra, tsy mahandry tantana. Misy ny entanke­tanim-pahefana, tsy mahalala onona ka manita-kevitra. Vola sy voninahitra no mibaiko ka rava teo ilay maha zandarimariam-pirenena ny zandarimariam-pirenena. Vondrona miavaka amin’ny fanajana ny lalàna misy.
Nisy ny fifonana ampahibemaso nataon’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny 2 avrily 2023, tany Antsirabe. Tsy kisendrasendra ireny, fa mifono zava-dalina tokony hahatonga saina ny rehetra. Indrindra fa ireto mpanao volo manoha randrana sy fandoto tsy mahandry ny andro zoma ireto, mitady hanao dingan-dava tsy « lera » amin’ny fakana fahefana. Mifamorika ny mpiray vatsy sy iray aina anatiny ao.
Mila fitandremana sy fahamailoana goavana amin’ny mpi­tondra fanjakana ankehitriny io zava-miseho io. Taratry ny fiva­kisana sy ny fifamotehana ampahibemaso ireny. Efa mivadika ho fifamonoana ankolaka ary fihantsiana ny fahefam-panjakana. Na iza na iza ao ambadik’izany, na inona na inona tanjona, na tamin’ ny fomba ahoana na ahoana no nivoahan’ilay horonampeo dia efa tsy voaaro intsony hatramin’ny filohan’ny Repoblika. Mazava be ny tanjona fa misy ny tandrevaka andaniny, misy ny tsy fanarahan-dalàna naka ilay feo, ankilany. Angaha moa azo atao ny maka feo ny resaka an-telefaonina tsy nahazoana alalana ? Sa efa teny nierana ireny fa ireto mpiara-miasa mahatoky no nisy nanao mpamosavy malemy ?
Soa ihany fa efa nilaza ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa manao fanadihadiana. Enga anie ka ho vita hatramin’ny farany izany. Mba tsy hanjavozavo tahaka ny resaka angidimby nianjera saika nahafaty ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarima­riam-pirenena Gellé Serge ihany ! Mendrika ny mangarahara ny va­hoaka, manoloana izao faharavan’ny soatoavina sy ny fahapote­han’ny maha matihanina ny mpitandro filaminana izao.

r.r

Partager sur: