Niezaka nanatsara hatrany ny mpikarakara ny NBJF hatramin’izay fito taona nisiany izay. Hiavakakely ny hetsika amin’ity taona ity, ankoatra ny fiovan’ny toerana hanaovana azy. Na eo aza anefa izany, tsy miova ny tanjona sy ny laza hatramin’izay.
Hanomboka anio ary tsy hifarana raha tsy ny 10 avrily 2023, ny “Nosy Boraha Jazz Festival” (NBJF), andiany fahefatra. Any amin’ny Nosy Sainte-Marie, na Nosy Boraha no hanatanterahana azy amin’ity andiany ity, raha tany Nosy Be, tamin’ny andiany teo aloha. Hetsika iraisam-pirenena, karakarain’ny NBJFOC miaraka amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny famantarana ny toetry ny andro. Ny jazz no tena hisongadina mandritra ny andro hanatanterahana izany. Mpanakanto vahiny maro, sangany sy manana ny lazany eo amin’ny mozika jazz, hotronin’ireo avy eto Madagasikara no hanafana ny lanonana. “Ankoatra ny maha any amin’ny Nosy Boraha. Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity taona ity koa ny hetsika sosialy, fizarana boky, ho an’ny sekoly any an-toerana. Eo ihany koa ny fambolen-kazo, ataon’ny mpandray anjara sy ny mpankafy ny Nosy Boraha Jazz Festival”, hoy Ravelojaona Niry, filohan’ny komity mpikarakara ny “Nosy Boraha Jazz Festival”.
Hianoka hetsika goavana ny mpankafy jazz, ao anatin’izao vaninandron’ny Paska izao. Fampisehoana sy mozika jazz no hameno ny lalana mihazo ny Nosy Boraha. Hanombohana izany ny “Jazz sur la RN2”, miainga eto Antananarivo hatreo Andasibe, ny afon-dasy iarahana amin’ireo mpanakanto hanafana ny festival. Eo ihany koa ny “Jazz train”, fampisehoana jazz anaty fiarandalamby. Fampisehoana iarahana amin’ireo mpanakanto vahiny sy avy eto an-toerana, manana ny lazany eo amin’ny jazz kosa no hameno ny fotoana rehefa tonga any amin’ny Nosy Boraha. Anisan’ny mpanakanto vahiny ho avy ao i Sulaiman Hakim, mpiangaly mozika jazz avy any Etazonia. Eo ihany koa ireo mpiangaly jazz avy any Italie sy ny avy ao Afrika ary ny Ranomasimbe Indianina. Anisan’ny hanafana ny hetsika ihany koa ny Malagasy mpanakanto toa an-dry Samy Andriamanoro sy Denise ary Lalatiana.
Lin (Mpianatra asa)