« Manandratra ny Zava-masina ho Vatsy » na ny « Mazava ». Ho an’ny Fikambanan’ny Kintan’ny Fanilo mikabary, andiany fahefatra navoakan-dry zareo ny « Mazava » nahitana 35 mianadahy. Niofana nandritra ny enim-bolana izy ireto. Nianarana ny kabary fototra, ny kabary am-panambadiana ary ny kabary an-karatsiana. Nasongadin’ny filoham-boninahitry ny Kintan’ny Fanilo mikabary, fa « tsy mijanona eo akory ny fampiofanana omena azy ireo, avy hatrany dia hiditra amin’ny dingam-panamafisana izy 35 mianadahy ireo. Nambaran-dRamilison Patrick Eugène, filoham-boninahitry ny Kintan’ny Fanilo mikabary fa « tsy mijanona eo akory ny fampiofanana omena azy ireo fa hiditra avy hatrany amin’ny dingam-panamafisana izy 35 mianadahy ».
Fantatra fa hisokatra amin’ny volana mey izao ny fampiofanana kabary eo anivon’ity fikambanana ity. Marobe ireo ezaka fampandrosoana momba ny kolontsaina, indrindra ny kabary tanterahin’izy ireo. « Fanirianay, ny hananan’ny isan-tokantrano mpikabary », hoy ny filohan’ny Kintan’ny Fanilo mikabary.
HaRy Razafindrakoto