Hisitraka fotodrafitrasa hanatsarana ny sehatry ny jono ny faritra Diana. Hitsangana amina toerana miisa fito any amin’ny faritra avaratra ny “complexe de pêche” hanatsarana ny vokatra.
Toerana fito ao amin’ny distrikan’Ambanja sy Nosy Be, faritra Diana no hanana «complexe de pêche» tsirairay avy. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny sehatry ny jono sy hanampiana ireo mpanjono madinika any an-toerana. Hisitraka ity tetikasa ity ny ao Anjiamanoro, Ampapamena, Djangoa ho an’ny distrikan’ Ambanja. Ambatozavavy, Ambalamanga, Antafiambitry ary Mangirakirina ho an’i Nosy Be. Ahitana efintrano fivoriana, biraon’ny mpitantana, tsena mitafo, efintrano mangatsiaka ary orinasa mpamokatra gilasy ireo fotodrafitrasa hatsangana. Ao ny milina fanamboarana ranomandry izay hahafahana mamokatra gilasy 1000 kg isan’andro. Ao koa ny toeram-panodinana vokatra, ny herinaratra mandeha amin’ny masoandro hatrany amin’ny 23 Kw.
Hampianarina ireo mpanjono ny teknika moderina rehetra mba hifanoroana sy hifanampiana amin’ny fampandrosoana ny jono. Araka izany, hitondra vokatsoa ho an’ny rehetra ity tetikasa ity. Handrafitra ity fotodrafitrasa ity ihany koa ny “unité de transformation” na toeram-panodinana ireo vokatra hazandranomasina sy ny toerana hahafahana mivarotra izany.
Vato fototra
Niroso tamin’ny fametrahana ny vato voalohany tamin’ireo fotodrafitrasa ireo ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Nitety ireo toerana voatanisa etsy ambony izy nanomboka ny 30 marsa hatramin’ny alatsinainy teo. Ho vita ao anatin’ny 4 volana moa ity foto-drafitrasa ity. Namaly tanteraka ny hetahetan’ireo mpanjono ny fananganana izany. Hanampy azy ireo hitahiry ny vokatra, hanatsara ny velontenan’ny tsirairay. Ary hiteraka asa ho an’ny vehivavy sy ny tanora ihany koa. Nohamafisin’ny minisitra fa hanampy betsaka amin’ny fampihenana ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fotodrafitrasa, noho ny faritra Diana anisan’ny mamokatra trondro eto Madagasikara.
Henintsoa Hani