Naorina ao amin’ny fokontany Bedado, kaominina Sahambano, distrikan’Ihosy, faritra Ihorombe ny tohodrano manondraka lemaka 200ha, nataon’ny fandaharanasa «Défis». Natao izany hanatsarana ny voka-bary any an-toerana. Namaly ny hetahetan’ny tsantsaha mpisitraka miisa 174 izay mivondrona ao
amin’ny fikambanana «Andriamisara Vagnosoa» ity tohodrano vaovao ity. Velombolo tanteraka ny mponina ary manantena ny hamboly indroa isan-taona. Etsy ankilany, tsy hijanona amin’ity fotodrafitrasa ity fotsiny ny fandaharanasa fa hiara-kisalahy amin’ny tantsaha mpisitraka izany. Hatomboka amin’ny fanarenana ireo velaran-tany voatondraka izany. Hojerena ihany koa ny fitantanana ny rano sy fanohanana ny tantsaha amin’ny fambolena ara-teknika. Tanisaina amin’izany ny voly vary avy amin’ny saha sekoly, ny famatsiana ireo masomboly voafantina ho an’ny mpandray ny vokatra. Natao afakomaly ny fandraisana ny tohodrano vaovao izay niarahana tamin’ny talem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana. Nanatrika izany tany an-toerana ihany koa ny mpandrindra iraisam-paritry ny fandaharanasa “Défis”. Tafiditra indrindra amin’ny paikady apetraky ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana izao hoentina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Henintsoa H.