Mitohy ny fikarohana ireo tanora mandrafitra ny “Gool Den Team” ao Toamasina. Miroso amin’ny fampihorohoroana olona anaty tambajotran-tserasera indray izy ireo.
Miditra amin’ny fandrahonana olona amin’ny alalan’ny kaonty anaty tambajotran-tserasera indray ny fikambanana tanora “Gool Den Team” malaza ratsy ao Toamasina. Mbola tsy naharenesana vaovao ny mahakasika ny fanadihadiana, efa mampihorohoro olona amin’ny alalan’ny “facebook” indray ireto tanora ireto. Ny kaonty mitondra ny anarana “Rinoh U.G” no ampiasain’ izy ireo. Miteny ratsy sy mandrahona anatin’io kaonty io izy ireo. Ho an’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka ao an-toerana, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, efa manakaiky ny ahitana ireo mpikambana anatin’io vondrona tanora io, izy ireo. Tsy maintsy ho hita alohan’ny faran’ny herinandro ity ireo zatovo maditra ireo raha ny nambarany. Manahy ny raharaha hiafara amin’ny vono olona ireo mponina ao an-toerana. Raha tsiahivina, malaza ratsy amin’ny fametavetana ankizy mbola virijiny ireo tanora mikambana anatin’io “Gool Den Team” io. Ampidorohan’ireo mpitarika rongony mahery vaika ireo mpikambana ary omen’izy ireo zava-pisotro mahamamo isan-karazany. Mandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro filaminana ao Toamasina ka andrasana ny vokatry ny fanadihadiana.
Sajo/Tsiferana R.