Voasambotry ny polisy tao Toliara, afakomaly ireo olona telo voarohirohy tamin’ny fikasana hanondrana an-tsokosoko sokatra. Nahazo fampitam-baovao ny polisy miasa ao Ihorombe fa misy sokatra ataon’olona anaty gony feno saribao niainga avy any Toliara hoentina hiakatra aty an-drenivohitra. Nanao fanadihadiana ny polisy ka ny 2 avrily 2023 teo, voasakana teo Ihorombe ny kamiaobe iray mpitondra saribao. Rehefa natao ny fisavana ny entana tao anaty fiara dia nahatrarana gony lehibe iray feno sokatra niaraka tamin’ireo saribao ireo. Nandritra ny fanisana izany, 54 ireo zana-tsokatra nafenina niaraka tamin’ny saribao. Nentina nihazo ny polisy ireo sokatra tratra mba hahafahana manohy ny fanadihadiana rehetra. Natao ny fikarohana izay mety ho tompon’antoka ka ny 3 avrily 2023, olona telo (vehivavy sy lehilahy roa) indray tratra tao Toliara izay fantatra fa tompon’ireto sokatra saika haondrana ireto.
Jean Claude