Jobily volamena sy Amboaran-kira Paska : hanolotra ny « Hery iray » ny Chorale Orimbato

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taona nijoroany. Hanatanteraka antsa Paska ny antokompihira Orimbato ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga.

Ao anatin’ny jobily vo­lamenan’ny Chorale Orimbato, hanolotra ny Amboarankira Paska ho fankalazana ny Paska 2023 izy ireo. Fampisehoana nosalorana ny lohateny « Hery iray ». Nankinina amin’ny So­ra­tra Masina araka ny 2 Korintiana 12 :9b : « fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena ». Hotantera­hina ny alahady 9 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambato­nakanga.
Hizara roa ny fandaharam-potoana. Tapany voalohany, handrenesana ireo hira Paska voafantina noforonina ho an’ny antoko mpihira. Ani­san’izany ny « Maty Jesosy » (R. Harkness), « Ranomaso » (Hiary Rapanoelina AVM), « Tafatsangana tokoa » (An­dria­miadamahatratra)… Fiza­ra­na, hanandratan’ny Orim­bato ireo hira notsongaina avy tamin’ny fihiranam-piangonana samihafa. Natokana hizarana ny herin’ny fitiavan’ An­driamanitra izay mitondra fampihavanana sy fiainana satria resy ny fahafatesana. Anisan’izany ny « Lazao lay tantaran’ny Vonjy » (Fi­­­­hi­­rana Advantista), « Mi­saotra Anao Jesoa Hôstia » (Fihirana Katolika), « Mamy ny fitianao » (Fihirana Angli­ka­na), ary hira nalaina tamin’ny fi­hi­rana Protestanta FFPM toy ny « He manda fiarovana » (FLM) sy « Tamin’ ny andro voalohany » (FJKM).
« Fampisehoana « Hery iray », anisan’ny fomba hanehoan’ny Orimbato fa iray ny fianakavian’ny mpino kristiana. Araka izany, fotoana iray hanehoana fampiraisana ity Amboarankira Paska ity ka anasana am-pitiavana ny re­hetra hiaraka hidera an’An­driamanitra noho ny heriny namonjeny antsika olombelona », hoy Jacques Ramana­mirija, miandraikitra ny seraseran’ny antoko mpihira Orimbato.
Hira efatra ambiny folo no mandrafitra ity seho tarihin’i Fabrice Razafimamonjy ity. Hitendry ny zavamaneno, i Tsiresy Rajaonarifetra . Tsy misy vidim-pidirana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: