Hotontosaina, anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar, IFM Analakely, ny fampisehoana dihy tarihin’i Rebecca Weingartner. Ny masoivohon’i Suisse eto Madagasikara miaraka amin’ny Compagnie Lovatiana no mikarakara ny hetsika. Hetsika tafiditra ao anatin’ny “Festival Miaraka” andiany fahatelo. Hahazo vahana manokana ny dihy amin’ity anio ity, amin’ny maha fampisehoana dihy azy.
Ny mahakasika ny dihy no hifampizarana sy haseho eny amin’ny IFM Analakely, anio, ao anatin’ny “Festival Miaraka” andiany fahatelo. Hizara ny fahaizany amin’izany i Rebecca Weingatner, mpandihy sy mpanao soradihy avy any Suisse, tonga eto Madagasikara amin’izao hetsika lehibe izao. “Tsy voafetran’ny sisintany ny dihy. Manana fahalalahana amin’ny lafiny rehetra ny mpampiatra azy”, hoy ny mpikarakara. Mpampianatra sy mpisehatra eo amin’ny soradihy i Rebecca Weingartner, ankoatra ny maha mpandihy azy. Mbola mandalina sy mianatra ny momba ny dihy ankehitriny izy amin’izao fotoana izao na dia efa 42 taona aza. Vonona tanteraka izy hizara sy hifampizara amin’ny mpisehatra eo amin’ny dihy malagasy , araka ny nambarany. Eo ihany koa ny Compagnie Lovatiana, izay fikambanana mivoy ny dihy ankehitriny, anisan’ny mpikarakara ny “Festival Miaraka”.
Mampiavaka ity hetsika lehibe ity ny fahasamihafan’ny haikanto mandray anjara. Eo ihany koa ny fanomezana lanja ny olona manana fahasembanana sy ny mpahay haikanto hita ao anatin’ny “Festival Miaraka”. Miezaka hatrany ny mpikarakara ny hetsika manatsara ny kalitaon’ny hetsika karakarainy. Anisan’izany ny fampitomboana ny haikanto hita ao anatin’ny “Festival Miaraka”.
Lin (Mpianatra asa)