NBJF andiany fahefatra: tanterahina anio ny lanonam-panokafana

Tontosaina anio hariva, eny amin’ny Birdy, Galaxy Andraharo, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny “Nosy Boraha Jazz Festival” na NBJF. Hisy amin’ireo mpanakanto, handray anjara amin’ny NBJF no hanafana ity lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ity. Efa nisy ny hetsika “Jazz sur RN2”, hetsika tafiditra ao anatin’ny NBJF natao omaly, ho fanokafana amin’ny fomba ofisialy ity tanterahina anio ity.
Nomena tombony manokana ireo mpankafy mozika Jazz tsy ho afaka hiatrika ny “Nosy Boraha Jazz Festival” na NBJF. Anisan’ny hanafana ity lanonana ity, i Sulaiman Hakim, ny Jav, ny Weaver Trio W. Joro Rakotozafiarison ary i Lalatiana. Mpanakanto anisan’ny sangany izy ireo any amin’ny toerana misy azy tsirairay avy. Sulaiman Hakim, izay mpanao Jazz mainty ho­ditra manana ny lazany eran-tany. Eo ihany koa ny Jav, izay fivondronana mpanakanto miangaly ny mozika Jazz eto Afrika sy ny Rano­ma­simbe Indianina.
Tsy ho very anjara, araka izany, ny mpankafy Jazz tsy afaka hamonjy NBJF fa afaka hianoka tsara ny sombin’ny “Nosy Boraha Jazz Festival”.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: