Fifidianana : hampiantso fikaonandoha indray ny Ceni

Tsy mbola mifarana eo. Hiditra amin’ny dingana ma­naraka amin’ny famoriana ireo mpiantsehatra politika rehetra indray ny eo anivon’ny Ceni, ato ho ato, araka ny nambaran’ny tale kabinetran’ ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity, Andriamifidy Jean Louis, omaly. Namba­rany fa iarahana mijery amin’izany ny fomba hanatanterahana ireo tolokevitra voaray tamin’ilay fihaonambe, farany 24 marsa teo teny Ankoron­drano.
“Efa naravona anaty lohahevitra efatra ireo hevitra naroson’ireo avy amin’ny mpisehatra politika rehetra nandray anjara tamin’iny dini­kasa iny”, hoy izy.
Anisan’ny naravona amin’ izany ny momba ny rijatenin-dalàna mifehy ny fifidianana. Eo koa ny raharaham-pifidianana. Nitondran’ireo mpise­hatra tolokevitra ny momba ny lisitry ny mpifidy sy ny birao fandatsaham-bato ary koa ny amin’ny voka-pifidianana.

Fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana

Manampy izany ny fa­nao­vana fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana sy ny fanentanana ary ny fanabeazana ny olom-pirenena amin’ ny tontolo poli­tika. Lohahe­vitra fahetatra farany momba ny fanaraha-maso ny fifidianana.

“Hozaraina amin’ireo mpandray anjara rehetra tamin’ny dinika avokoa ireo fehinkevitra ireo ary efa voasonian’ny filohan’ny Ceni. Efa voarakitra ao antin’ ny fitantanana an-tsoratra eo anivon’ity voamiera ity ra­hateo izany”, hoy ihany izy.

Tsiahivina fa anisan’ny tanjona tamin’ilay fikaonandoha natao farany iny ny handraisana ireo tolokevitra avy amin’ireo mpiantsehatra rehetra, ahafahana mitady ny tokony hatao hanatanterahana izany. Nitovy avokoa ny hevitr’ireo nivory ny hanohizana ny fihaonana tahaka izao, afahana manatanteraka fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra.

Synèse R.

Partager sur: