Fampandrosoana : nanolotra vinam-piarahamonina vaovao Ny Fireneko

“Afa-mandroso ho amin’ ny tsaratsara kokoa isika. Tsy mbola very na resy i Madaga­sikara. Porofon’izany, be dia be ny vahiny tonga eto. Ny vahiny mandroso, fa ny Mala­gasy mihemotra”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Ny Fireneko, i Paul Rabary, teny Antaninarenina, omaly. Tsy afa-kijery fotsiny izany ny antoko Ny Fireneko, nampahafantatra ny vinam-piarahamonina vaovao hampandrosoana an’i Madagasikara.
Tsy miainga amin’ny tsangan’olona ny antoko, fa amin’ ny tsangan-kevitra liberaly amin’ny teny filamantra hoe: “Miara-miasa, miara-mihary, miara-mandroso”. Ny asa ny maha olona amin’izany; tsy tokony haka ny toeran’ny mpan­draharaha amin’ny fiharian’ ny fanjakana fa natao hanamora izany. Ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny fandriampahalemana no asany. Anja­ran’ny fanjakana ny mandrindra sy mandamina ny asa sy ny fihariana amin’ny hoe miara-mandroso amin’ny famindrana fahaiza-manao, fahefana, vola enti-miasa…
Azo atao tsara ny manao fampandrosoana

Lalana telo no heverin’ny Ny Fireneko hampandrosoana an’i Madagasikara: ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fampiroboroboana ny teknolojia vaovao. Tokony hifantoka sy hiafara amin’izany fanofanana tanora; raha tsy izany, tsy hisy fampandrosoana.
Anisan’ny paikady sy fomba fiasa hanatrarana izany kosa ny fanabeazana sy fampiofanana tokony hiteraka asa amin’ ireo sehatra ireo; ny fanore­nana fotodrafitrasa hamoka­rana sy hamoahana vokatra. Eo koa ny teknolojia vaovao hanafaiganana ny asam-panjakana. Ao anatin’izany ny tsy fampiasana taratasy intsony, izay atomboka amin’izany renivohi-paritany ary iadiana amin’ny kolikoly; ny fampanjakana ny fandriampahalemana, tsy hoe ady amin’ny asan-jiolahy fotsiny fa mitondra filaminan-tsaina hahazoana miasa an-kalalahana sy mandray ny vokatry ny asa…

R. Nd.

Partager sur: