Seha-pampandrosoana : namatsy vola 600 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena

Vonona hanohana an’i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Voakasik’izany ny fampiroboroboana ny fahazoana angovo, ny fifandraisan-davitra niomerika ary ny fambolena.

Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Ban­ky Iraisam-pirenena, ny 30 marsa 2023 teo, ny famatsiana tetikasa mitentina 600 tapitrisa dolara, fampindramam-bola an’i Madaga­sikara. Hoentina hanohanana ny sehatrasa mitondra fampandrosoana, amin’ny lafiny fambolena, ny angovo ary ny fifandraisan-davitra io famatsiam-bola io. Hatokana ho an’ny fifandraisana niomerika sy ny angovo ho an’ny rehetra (Decim) ny 400 tapitrisa dolara. Hanohanana ny famokarana asa fivelomana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny 200 tapitrisa dolara.
Vokatra andrasana amin’ny tetikasa Decim ny hampitomboana avo roa heny (67%-n’ny Malagasy) ny fahazoana angovo raha 33,7% amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fahazoana tolotra amin’ny lafiny kajimirindra. Koa tanjona ny fifamenoan’ireo sehatra roa ireo. Miisa 10 tapitrisa ny olona hisitraka ity tetikasa ity, avy amin’ny tokantrano 2 tapitrisa. Miisa 3.400.000 ny mpisitraka vaovao internet. Manodidina ny 2.000 ny toeram-pitsaboana sy sekoly hahazo angovo azo havaozina sy fifandraisana niomerika.

Velaran-tany 30.000 ha

Ho an’ny sehatry ny fambolena, hisitraka ny tetikasa hampandrosoana ny eny ambanivohitra ny faritra Sofia sy Alaotra Mangoro. Haverina amin’ny laoniny ny lakandrano, harenina ny fitantanana ny fotodrafitrasa fitarihan-drano, hanatsarana sy hamafisana ny lalam-pihariana amin’ny fambolena. Miisa 150.000 ny tokantrano hisitraka ny tetikasa. Tanjona ny hamokarana manaja ny tontolo iainana, ka hisy ny fanofanana ny tantsaha. Mahatratra 30.000 ha ny velaran-tany voakasiky ny fanarenana ny fotodrafitrasa, ahitana lakandrano mirefy 150 km.
Ankoatra ny 200 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, hisy 25 tapitrisa euros koa hampindramin’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), izay hohamafisina amin’ny jolay 2023 ny fifanarahana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: