Egypta-Madagasikara : vahaolana amin’ny rano any Atsimo

Nihaona tamin’ny minisitry ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, Ravokatra Fidi­ni­a­vo, omaly, ny masoivohon’ny Repoblika Arabon’i Egypta, Rtoa Rabab Abdelhadi.
Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa efa nisy hatrizay eo amin’i Madagasikara sy i Egypta. Nambaran-dRtoa am­basadaoro fa maromaro ireo sehatra izay ahafahan’ny roa tonta miara-miasa, toy ny tetikasa andrana amin’ny fitantanana ny rano any amin’ny faritra Anosy sy Androy izay hirosoana tsy ho ela amin’ny alalan’ny fitsidihana ifotony any an-toerana.
Ho an’ny minisitra Ra­vokatra Fidiniavo, tohin’ny fitsidihana nataony tany Egyp­ta, ny volana aogositra 2022, ity fihaonana ity. Tan­jona lehibe ny hitantanana ara-drariny ny rano any amin’ny faritra atsimo. Faritra maina, nefa manana tahirin-drano ahafahana manatanteraka fambolena afaka hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nampanantena ny hizara ny fahaiza-manaon’i Egyp­ta amin’izany Rtoa Amba­sadaoro.

Njaka A.

Partager sur: