Nahitam-bokany ny hetsika nataon’ny polisy nandritra iny volana marsa iny. Olona 352 no natao fanadihadiana ka ny 163 amin’ireo tratra noho ny fandikan-dalàna. Olona roa maty voatifitry ny polisy rehefa avy nanatanteraka halatra mitam-piadiana. Ho an’ny halatra mitam-piadiana, olona enina tratra nanao izany ka ny efatra amin’ireo tratran’ny polisy raha maty voatifitra kosa ny roa. Naiditra am-ponja vonjimaika ny roa raha nahazo fahafahana vonjimaika ny roa hafa. Olona 75 sarona noho ny resaka halatra ka 50 tratra nangalatra raha telo hafa teo am-pikasana hangalatra, 23 amin’ireo halatra tsotra ary sivy tratra nanao hala-boty. Nisongadina tao anatin’ny tatitra nampitain’ny polisy, halatra sy sinto-mahery, nahitana olona 27. Tao anatin’izany ireo nangalatra moto sy nangalatra entana anaty fiaran’olona. Mpivarotra sy mpifoka rongony nahitana olona 12 ihany koa saron’ny polisy, ankoatra ireo mpanaparitaka vola sandoka, izay samy efa naiditra am-ponja avokoa.
Jean Claude