Hanatanteraka fampisehoana tokana eto Madagasikara ny “Trio Buenos Aires”, tarika manana ny lazany eo amin’ny gadona sy dihy “Tango”. Eny amin’ny Canal Olympia ny 17 Avrily 2023 no hanatanterahana ny fampisehoana. Ny Académie Nationale des Arts et de la Culture (ANAC) miaraka amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no mikarakara ny hetsika. Tanjona ao anatin’izao hetsika izao ny hananan’ny mpahay kanto malagasy traikefa sy fahaiza-manao, indrindra ny mpankafy manokana ny “Tango”.
Ankoatran’ny atrikasa hiarahana amin’ireto mpanakanto vahiny, sangany eo amin’ny “Tango” ireto. Hisy ny fampisehoana ho ataon’izy ireo. William Garcin no mpitendry lokanga, Jérémy Vannereau no eo amin’ny angorodao ary Eric Franceries no mpitendry gitara. Ireo no mandrafitra ny tarika “Trio Buenos Aires”. Efa nanana ny naha izy azy teo amin’ny sehatry ny “Tango” hatramin’ny taona 1955 ny tarika. Carlos Gardel no namorona ny tarika tamin’izany. Mbola mitoetra ary mbola manana ny lazany ny tarika ankehitriny.
Lin
(Mpianatra asa)