Projet SWIOFish2 : hiroborobo ny sehatry ny jono any Diana

Anisan’ny hitondra fampivoarana ny sehatry ny jono eto amintsika ny “Projet SWIOFish2”, iarahana amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Notanterahina ny herinandro teo, tany Diana, distrikan’ Ambanja sy i Nosy Be ity te­tikasa ity, amin’ny alalan’ireo asa lehibe, miisa valo, hatao any an-toerana. Napetraka tamin’izany ny vatofototra ho amin’izany. Tafiditra in­drindra amin’ny fandaharanasa amin’ny alalan’ny tetikasa “SWIOFish2” izao fotodrafitrasa lehibe izao. Eo koa ny maha tetikasa ho an’ny faritra atsimo andrefana aty amin’ny Ranomasimbe Indianina azy, eo amin’ny fitantanana ny sehatry ny jono sy ny fifampizarana amin’ireo faritra ireo.
Tanjona amin’izany ny hanatsarana sy hampiroboroboana ny fitantanana ny sehatry ny jono eny anivon’ny fa­ritra.
Ho hita amin’izany fotodrafitrasa «Complexe pêche» izany ny efitrano fivoriana, ny biraon’ny mpitantana sy ny ho an’ny rano “Château d’eau”, ny efitrano fampangatsiahana ary fanamboarana “Glace”… Hanana herinaratra manokana hampihodina izany amin’ny alalan’ny masoandro ka hahavita “Glace” 500 hatramin’ny 1 500 kg isan’andro.
Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny minisitra Ma­hatante Paubert. “Zava-dehibe izao fotodrafitrasa izao. Ham­pihena ny tahan’ny fahantrana sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Hahazo tombony koa ireo fikambanan’ny mpanjono amin’ny fiainanany andavanandro”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: