Narian’ny havany hatramin’ny fatiny ! Dahalo raindahiny amin’ny halatra omby no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Antsirabe II, afakomaly.
Nizara roa ny lohany. Tapaka ny tendany. Matin’ny fitsaram-bahoaka ny dahalo iray tany Antsirabe II . Nalevin’ny fianakaviany sasantsasany toy ny nandevina biby ity mpangalatra omby iray matin’ny hatezeram-bahoaka tao Bemahatazana ity. Nangalatra omby miisa 3 tao amin’ny distrikan’i Fandriana izy. Noroasiny nihazo ny distrikan’Antsirabe II ny omby saingy tratran’ny fokonolona mpanara-dia izay nitondra antsibe sy nitora-bato izy. Raikitra ny fitsaram-bahoaka ka nofirain’ny olona antsy, silaka roa ny lohan’ilay dahalo. Notapahan’ny fokonolona koa ny tendany. Navelan’izy ireo teo ny fatiny. Nody nitondra ny omby ireto mpanara-dia.
Nijery ny zava-nisy ny zandary. Voamarina fa dahalo anisan’ny malaza ratsy amin’ny halatr’omby ilay novonoin’ny fokonolona. Narian’ny havany tsy ho isan’ny fianakaviana izy taorian’ny asa ratsy maro efa nataony. Notsiahivin’ny zandary fa voararan’ny lalàna ny fampiharana fitsaram-bahoaka.
Dahalo efatra avy amin’ny faritra samihafa no matin’ny fitsaram-bahoaka tao anatin’ny herinandro monja.
Tsiferana R.