Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria (CSP) Maintirano ireo andian-jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny faritra Melaky, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny halatra mitam-piadiana. Naharay antso ny polisy, misy andian’olona mandroba sady mampiasa fitaovam-piadiana tamin’io fotoana io. Nandritra ny kerimesy tao amin’ny fokontany Marodoka, CU Maintirano no nitrangan’izany. Nambanan’izy ireo tamin’ny basy ilay niharam-boina ka lasa tamin’izany ny speaker bluetooth iray. Vao nandre izany ny polisy, namonjy haingana ilay toerana. Noraisim-potsiny ny jiolahy efatra niaraka tamin’ny basy teny an-tanany. Nikasa hitifitra ireo jiolahy saingy tsy nahay nampiasa ny basy teny an-tanany. Nandritra ny fisavana azy ireo, mbola nahitana basy revolver marika Reck miaraka tamin’ny bala 110 mbola tao anaty tranony ny 100 isa, nahitana antsy maranitra ihany koa. Hita tao an-tranon’ny iray ilay entana nangalarina tao amin’ny kerimesy. Nentina nanaovana famotorana eny amin’ny biraon’ny polisy ireo olon-dratsy.
Jean Claude