Nisandoka ho zandary : voasambotra i Sefo Fidy

Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray nisandoka ho zandary teny Ivato, omaly. Nitondra ny anarana Sefo Fidy, nisoloky olona maro tamin’ny alalan’io fisandohana andraikitra io ity lehilahy ity. Angalany vola ireo olona ary milaza ho mahavita mandamina raharaham-pitsarana koa izy. Rehefa anantonan’ireo olona nandoa vola taminy izy andro vitsy taorian’ny nifanarahana, rahonan’ity mpisandoka ho zandary ity hogadraina izay mitaky ny famerenana ny vola. Nanao fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ireo lasibatra. Raikitra ny fanadihadiana. Voasambotra teny Man­drosoa Ivato ihany ity sefo sandoka ity.

Tsiferana R.

Partager sur: