Nitondra fanazavana momba ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany ny Prefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo, omaly.
Nambarany tamin’izany fa ny lalàna manan-kery eto amin’ny firenena no maniraka ny tomponandraiki-panjakana handray fepetra mitsinjo ny filaminam-bahoaka. “Mbola tsy fotoanan’ny fampielezan-kevitra azo anaovana hetsika famoriam-bahoaka an-dalambe izao. Eo amin’ny fanetsehana ny rantsa-mangaikan’ny antoko politika tsirairay isam-paritra isika izao”, hoy izy. “Afaka mangataka fahazoan-dalana hanao hetsika amin’ny trano na toerana mifefy, araka ny fepetra noraisina ireo antoko na fikambanana politika”, araka ny nambarany.
“Nanakiana izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay nilaza fa tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena, efa nosoniavintsika. Fametrahana fepetra fitsinjovana ny filaminam-bahoaka sy ny andavanan-dron’ny vahoaka anefa io noraisina io”, hoy ihany izy.
Nirosoana izany ary nampifandraisina amin’ny Lalàmpanorenantsika sy ny fifanarahana iraisam-pirenena.
Notsindriny fa efa iaraha-mahalala ny fiakaran’ny maripana eo amin’ny politika amin’ izao fotoana izao. Anisan’ izany ny tranga tany Sambava, nanendahana sy namonoana mpitondra Babaj, nanao akanjo miloko vonim-boasary ireny. “Ahiana hiteraka korontana eo amin’ny filaminam-bahoaka ireny ary mety hiseho amin’ny loko hafa koa aoriana. Tsy maintsy noraisina ny fepetra”, hoy izy.
Niaiky ny tenany fa zary niteraka fanakianana io fepetra noraisin’ny fanjakana io.
Synèse R.